4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noho ianao - Mamy Andy Lala

Nafoiko noho ianao izao rehetra izao

eny nafoiko izany mba hitiavako anao

nefa ianao toa nampitomany ity foko efa tony

eny na ny aiko aza ny haiko nafoy noho ianao



Kanefa ankehitriny nahoana re

no navelanao hijaly aho toy izao

mahatsiaro ny fahiny aho dia latsa-dranomaso

ka ny lasa rehetra hadinoiko noho ianao



Masina re ianao,ianao no nandao

ianao ihany no anton’izao

fa izaho kosa namefy ny foko tomany

masina re ianao



Nafoiko noho ianao...



Kanefa ankehitriny nahoana re...



Veloma ka masina ry nisintaka any ho any

masina ry olon-tiako,eny masina ianao

veloma tsisy tsiny ry endrika nindramiko

veloma ka masina ianao

Partager noho ianao

Commenter noho ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy Andy Lala